2 Chronicles 4:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny vilany, ny sotron’afo, ny fitrebika ary ny fanaka rehetra momba azy dia nataon’i Hirama-Aby tamin’ny varahina manganohano ho an’i Solomona mpanjaka ho amin’ny tranon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ny vilany, ny sotron-davenona, ny fitrebika. Nanao ireo fanaka rehetra ireo Ingahy Hirama ho an’i Salômôna mpanjaka, ho an’ny tranon’i Iaveh: varahina manganohano ireo zavatra ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary ny vilany fanangonan-davenona mbamin’ny lapelina sy ny fitrebika. Ny kojakoja rehetra nataon’i Horama-Abỳ ho an’i Salômôna mpanjaka ho an’ny tranon’ny TOMPO, dia vita halimo mamiratra avokoa.
Malagasy Bible 1865
Ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo sy ny fitrebika ary ny fanaka rehetra momba azy dia nataon'i Hiram-aby ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah tamin'ny varahina manganohano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny vilany, ny sotron’afo, ny fitrebika ary ny fanaka rehetra momba azy dia nataon’i Hirama-Aby tamin’ny varahina manganohano ho an’i Solomona mpanjaka ho amin’ny tranon’NY TOMPO.
malagasy
Ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo sy ny fitrebika ary ny fanaka rehetra momba azy dia nataon'i Hiram-aby ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah tamin'ny varahina manganohano.[Na: Ikaky Hirama]