2 Chronicles 4:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanao ny koveta be boribory voarendrika izy: Folo hakiho no halehiben’ny vavany, dimy hakiho ny haavony, ary telopolo hakiho ny manodidina azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanao ranomasina anìdina izy: folo hakiho ny haben’ny vavany ary boribory izy manontolo; dimy hakiho ny haavony, ary kofehy telopolo hakiho no maharefy azy manodidina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanao ilay fitobian-drano goavana boribory i Horama; halimo voaempo no nanefeny azy, ka nirefy dimy metatra ny savaivony, roa metatra sy sasany ny haavony, ary 15 metatra ny morony manodidina azy.
Malagasy Bible 1865
Ary nanao ny tavin-drano an-idina boribory lehibe izy: folo hakiho no halehiben'ny vavany, dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanao ny koveta be boribory voarendrika izy: Folo hakiho* no halehiben’ny vavany, dimy hakiho ny haavony, ary telopolo hakiho ny manodidina azy.
malagasy
Ary nanao ny tavin-drano an-idina boribory lehibe izy: folo hakiho no halehiben'ny vavany, dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy.[Heb. ranomasina]