2 Chronicles 4:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary ny antsy, ny lovia famafazana, ny lovia kely ary ny fitoeran-davenon-jiro koa dia samy volamena voafantina; samy volamena koa ny lelam-baravarana teo anatin’ny Trano, dia ny mankao amin’ny fitoerana masina indrindra, sy ny lelam-baravarana ho amin’ny efitrano lehibe.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ny antsy, ny kôpy, ny tasy, ny fanembohana, volamena madio, ny lela varavarana volamena, hanaovana ny varavarana ao anatin’ny trano, ao amin’ny fidirana ho ao amin’ny fitoerana masina indrindra, ary hanaovana ny varavaran’ny trano ao amin’ny fidirana ho ao amin’ny tempoly.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ny antsy, ny tsatokaty famafazana, ny kaopy, ary ny fitoeran-davenon-jiro, dia samy volamena madio; ny lelavaravarana, na ny mankao amin’ny Toeramasina Indrindra, na ny mankao amin’ny efitrano malalaka, dia samy volamena avokoa.
Malagasy Bible 1865
ary ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia samy volamena tsara; ary ny lela-varavarana teo anatin'ny trano, dia ny mankao amin'ny fitoerana masina indrindra, sy ny lela-varavarana ho amin'ny ati-trano lehibe dia samy volamena avokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary ny antsy, ny lovia famafazana, ny lovia kely ary ny fitoeran-davenon-jiro koa dia samy volamena voafantina; samy volamena koa ny lelam-baravarana teo anatin’ny Trano, dia ny mankao amin’ny fitoerana masina indrindra, sy ny lelam-baravarana ho amin’ny efitrano lehibe.
malagasy