2 Chronicles 4:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy sarin’omby folo isaky ny hakiho iray manodidina, teo ambanin’ny koveta be. Roa andalana ny sarin’omby sady niara-voarendrika tamin’ilay koveta be.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy sarin’omby folo isaky ny iray hakiho manodidina azy, teo ambanin’ny molony, voalahatra roa an-dalana izy ka nahodidina ity ranomasina hatrany. Ireo omby ireo, dia indray natao anìdina tamin’ity ranomasina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tambanin’ny molotr’ilay fitobian-drano goavana, tamin’ny manodidina azy manontolo, dia nisy sarin’ombalahy folo isaky ny antsasa-metatra; roa andalana ireo nifanongoa ireo ary niara-narendrika tamin’ilay fitobian-drano.
Malagasy Bible 1865
Ary teo ambanin'ny tavin-drano lehibe nisy sarin'omby manodidina azy, dia folo amin'ny iray hakiho manodidina. Roa andalana ny sarin'omby sady niara-natao an-idina tamin'ny tavin-drano..
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy sarin’omby folo isaky ny hakiho iray manodidina, teo ambanin’ny koveta be. Roa andalana ny sarin’omby sady niara-voarendrika tamin’ilay koveta be.
malagasy
Ary teo ambanin'ny tavin-drano lehibe nisy sarin'omby manodidina azy, dia folo amin'ny iray hakiho manodidina. Roa andalana ny sarin'omby sady niara-natao an-idina tamin'ny tavin-drano..[Heb. ranomasina]