2 Chronicles 4:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny hateviny dia vodivoampelatanana iray, ary nataony tahaka ny molotry ny kapoaka ny molony, dia tahaka ny vonin’ny lisy; mahalany telo arivo bata izy io.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vody voampelatanana ny hateviny, tahaka ny an’ny kôpy ny molony, toy ny vonin-disy, ary rano 3.000 bata no laniny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny hateviny dia valo santimetatra; ary ny molony dia natao tahaka ny molo-tsangambava ka miendrika felana lisy. Niaty 135 000 litatra eo ho eo izany fitobian-drano goavana izany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin'ny lilia; ary mahalany telo arivo bata izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny hateviny dia vodivoampelatanana iray, ary nataony tahaka ny molotry ny kapoaka ny molony, dia tahaka ny vonin’ny lisy; mahalany telo arivo bata* izy io.
malagasy
Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin'ny lilia; ary mahalany telo arivo bata izy.