2 Chronicles 4:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanao koveta varahina folo koa izy mba ho fidiovana, nataony teo amin’ny ankavanana ny dimy, ary teo amin’ny ankavia ny dimy; ary tao no nanasana ny zavatra hatao fanatitra dorana manontolo; fa ny koveta lehibe kosa dia ho fisasan’ny mpisorona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanao tavin-drano folo izy, ho fidiovana; ny dimy nataony teo amin’ny havanana, ny dimy teo amin’ny havia; ireo natao fanasana ny zavatra hatolotra ho sorona dorana. Ny ranomasina natao fidiovan’ny mpisorona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanao ny kovetabe halimo folo i Horama mba ho fanasàn-tsorona, ka ny dimy napetraka teo amin’ny ankavanana, fa ny dimy teo amin’ny ankavia; ny zavatra fanao sorona dorana manontolo no nakobaka teo. Ny fitobian-drano goavana kosa dia fidiovan’ny mpisorona.
Malagasy Bible 1865
Ary nanao tavin-drano folo koa izy hanasana, ny dimy nataony tamin'ny ankavanana, ary ny dimy tamin'ny ankavia; ary ny zavatra hatao fanatitra dorana dia nakobaka teo; fa ny tavin-drano lehibe kosa dia fisasan'ny mpisorona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanao koveta varahina folo koa izy mba ho fidiovana, nataony teo amin’ny ankavanana ny dimy, ary teo amin’ny ankavia ny dimy; ary tao no nanasana ny zavatra hatao fanatitra dorana manontolo; fa ny koveta lehibe kosa dia ho fisasan’ny mpisorona.
malagasy
Ary nanao tavin-drano folo koa izy hanasana, ny dimy nataony tamin'ny ankavanana, ary ny dimy tamin'ny ankavia; ary ny zavatra hatao fanatitra dorana dia nakobaka teo; fa ny tavin-drano lehibe kosa dia fisasan'ny mpisorona.[Heb. ranomasina]