2 Chronicles 5:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Toy izany no nahavitana ny asa rehetra nataon’i Solomona ho amin’ny tranon’NY TOMPO; ary nampidirin’i Solomona tao amin’ny tempoly ny zavatra rehetra izay efa nohamasinin’i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena; ary ny fanaka rehetra dia nataony ho ao amin’ny efitrano fitahirizana ao amin’ny tranon’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy izany no nahavitan’ny voa-javatra rehetra nataon’i Salômôna amin’ny tranon’i Iaveh. Dia nalain’i Salômôna ny zavatra rehetra natokan’i Davida rainy, sy ny volafotsy amam-bolamena mbamin’ny fanaka rehetra ka nataony tao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa vita ny asa rehetra nataon’i Salômôna ho an’ny tranon’ny TOMPO, dia nasainy nentina ny zavatra efa natokan’i Davida rainy ho an’Andriamanitra, dia ny volafotsy sy volamena ary ny kojakoja isan-karazany, ka napetrany tao amin’ny efitrano fitahirizan-drakitry ny tranon’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Toy izany no nahavitana ny asa rehetra nataon'i Solomona ho amin'ny tranon'i Jehovah; ary nampidirin'i Solomona ny zavatra rehetra izay efa nohamasinin'i Davida rainy dia ny volafotsy sy ny volamena; ary ny fanaka rehetra dia nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Toy izany no nahavitana ny asa rehetra nataon’i Solomona ho amin’ny tranon’NY TOMPO; ary nampidirin’i Solomona tao amin’ny tempoly ny zavatra rehetra izay efa nohamasinin’i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena; ary ny fanaka rehetra dia nataony ho ao amin’ny efitrano fitahirizana ao amin’ny tranon’Andriamanitra.
malagasy