2 Chronicles 5:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nivoaka avy tao amin’ny fitoerana masina ny mpisorona, satria ny mpisorona rehetra izay teo dia samy efa nanamasina ny tenany fa tsy mba nifandimby isan-toko tamin’izay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny fotoana nivoahan’ny mpisorona avy tao amin’ny fitoerana masina, - fa ny mpisorona rehetra nanatrika teo dia samy nanamasina ny tenany avokoa fa tsy voatana ny filaharan’ny isan-tokony,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nivoaka ny Toeramasina ny mpisorona (fa ny mpisorona rehetra teo moa dia samy efa nanokan-tena, satria tsy nisy fitandroana ny filaharan’ny antokony tamin’izay).
Malagasy Bible 1865
Ary nony nivoaka avy tao amin'ny fitoerana masina ny mpisorona (fa ny mpisorona rehetra izay teo dia samy efa nanamasina ny tenany, fa tsy mba nifandimby isan-toko taminy izay),
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nivoaka avy tao amin’ny fitoerana masina ny mpisorona, satria ny mpisorona rehetra izay teo dia samy efa nanamasina ny tenany fa tsy mba nifandimby isan-toko tamin’izay.
malagasy
Ary nony nivoaka avy tao amin'ny fitoerana masina ny mpisorona (fa ny mpisorona rehetra izay teo dia samy efa nanamasina ny tenany, fa tsy mba nifandimby isan-toko taminy izay),