2 Chronicles 5:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny levita mpihira rehetra, dia i Asafa, i Hemana ary i Jedotona mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny, izay nitafy lamba rongony fotsy madinika sady nitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, dia nitsangana teo atsinanan’ny alitara, ary teo aminy koa dia nisy mpisorona roapolo amby zato nitsoka trompetra;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ny Levita mpihira rehetra, i Asafa, i Hemàna, i Iditona, mbamin’ny zanany aman-drahalahiny, samy nitafy rongony madinika, dia nitsangana teo atsinanan’ny ôtely, nitondra kipantsona sy valiha ary harpa, ary teo anilany ny mpisorona 120, samy nitsoka trômpetra;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny levita mpihira rehetra kosa, izany hoe i Asafa sy i Hemàna ary i Jedotòna mbamin’ny zanany sy ny mpiray tarika aminy, dia nitafy rongony fotsy madinika; ary nitsangana teo atsinanan’ny alitara fisoronana izy ireo sady nitondra kipantsona sy valiha ary lokanga. Teo anilan’ny levita mpihira dia nisy koa mpisorona 120 izay nahay nitsoka trompetra.
Malagasy Bible 1865
ary ny Levita mpihira rehetra, dia Asafa sy Hemana sy Jedotona mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, izay nitafy rongony fotsy madinita sady nitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, dia nitsangana teo atsinanan'ny alitara, ary teo aminy koa nisy pisorona roa-polo amby zato nitsoka trompetra;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny levita mpihira rehetra, dia i Asafa, i Hemana ary i Jedotona mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny, izay nitafy lamba rongony fotsy madinika sady nitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, dia nitsangana teo atsinanan’ny alitara, ary teo aminy koa dia nisy mpisorona roapolo amby zato nitsoka trompetra;
malagasy