2 Chronicles 5:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary toy ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira raha nidera sy nisaotra NY TOMPO izy ireo; nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona ary ny zavamaneno isan-karazany ka nidera NY TOMPO fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindrampony, dia feno rahona ny Trano, dia ny tranon’NY TOMPO;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nony niray feo hankalaza sy hidera an’i Iaveh ireo nitsoka ny trômpetra sy ireo nihira, ka nampaneno ny feon’ny trômpetra aman-kipantsona mbamin’ny zava-maneno ka nankalaza an’i Iaveh amin’ny teny hoe: «Fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony», tamin’izay dia tonga feno rahona anankiray ny trano, dia ny tranon’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niombona toy ny feo tokana no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, fony izy nidera sy nisaotra ny TOMPO. Ary rehefa nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona mbamin’ny zava-maneno isan-karazany, ka nihira hoe: «Miderà ny TOMPO fa tsara Izy; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany », dia feno rahona ny tranon’ny TOMPO;
Malagasy Bible 1865
ary efa toy ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, raha nidera sy nisaotra an'i Jehovah izy; ka nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona sy ny zava-maneno isan-karazany ka nidera an'i Jehovah fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia feno rahona ny tranon'i Jehovah;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary toy ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira raha nidera sy nisaotra NY TOMPO izy ireo; nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona ary ny zavamaneno isan-karazany ka nidera NY TOMPO fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindrampony, dia feno rahona ny Trano, dia ny tranon’NY TOMPO;
malagasy
ary efa toy ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, raha nidera sy nisaotra an'i Jehovah izy; ka nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona sy ny zava-maneno isan-karazany ka nidera an'i Jehovah fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia feno rahona ny tranon'i Jehovah;ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona; fa feno ny voninahitr'i Jehovah ny tranon'Andriamanitra.