2 Chronicles 5:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izay dia novorin’i Solomona ny loholon’ny Israely sy ny lohan’ny foko rehetra, dia ny lohan’ny fianakavian’ny Zanak’Israely, ho any Jerosalema hampakatra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO avy any Ziona, Tanànan’i Davida.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay dia novorin’i Salômôna tany Jerosalema ny loholon’i Israely sy ny lohan’ny isam-poko rehetra, ary ny loham-pianakavian’ny zanak’i Israely, hamindra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh avy amin’ny tanànan’i Davida, izany hoe any Siôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay fotoana izay dia novorîn’i Salômôna tao Jerosalema ny loholon ’i Israely sy ny lehibem-poko rehetra ary ireo filoham-pianakaviana israelita mba hampakatra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, avy ao Tsiôna Tanànan’i Davida hankao an-tempoly.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany dia novorin'i Solomona ny loholon'ny Isiraely sy ny lehiben'ny firenena rehetra, dia ny lohan'ny fianakavian'ny Zanak'isiraely ho any Jerosalema hampakatra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah avy any Ziona, Tanànan'i Davida.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izay dia novorin’i Solomona ny loholon’ny Israely sy ny lohan’ny foko rehetra, dia ny lohan’ny fianakavian’ny Zanak’Israely, ho any Jerosalema hampakatra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO avy any Ziona*, Tanànan’i Davida.
malagasy
[Ny nitokanana ny tempoly] Ary tamin'izany dia novorin'i Solomona ny loholon'ny Isiraely sy ny lehiben'ny firenena rehetra, dia ny lohan'ny fianakavian'ny Zanak'isiraely ho any Jerosalema hampakatra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah avy any Ziona, Tanànan'i Davida.