2 Chronicles 5:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nampidirin’ny mpisorona ho ao amin’ny fitoerany tao amin’ny efitra anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin’ny elatry ny kerobima;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nentin’ny mpisorona ny fiaran’ny faneken’i Iaveh, ho ao amin’ny fitoerany, ao amin’ny fitoerana masin’ny trano, amin’ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin’ny elatry ny kerobima.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO dia nampidirin’ny mpisorona ho ao amin’ny toerany tao anatin’ny efitrano atao hoe Toeramasina Indrindra, teo ambanin’ny elatr’ireo kerobima;
Malagasy Bible 1865
Ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nampidirin'ny mpisorona ho ao amin'ny fitoerany tao anatin'ny efi-trano anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin'ny elatry ny kerobima;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nampidirin’ny mpisorona ho ao amin’ny fitoerany tao amin’ny efitra anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin’ny elatry ny kerobima*;
malagasy
Ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nampidirin'ny mpisorona ho ao amin'ny fitoerany tao anatin'ny efi-trano anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin'ny elatry ny kerobima;