2 Chronicles 6:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO efa nahatanteraka ny teny izay nolazainy, koa nitsangana handimby an’i Davida raiko aho ary mipetraka amin’ny sezafiandrianan’ny Israely araka ny nolazain’NY TOMPO, sady nanorina ny trano ho an’ny anaran’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary notanterahin’i Iaveh ny teny voalazany, fa nisandratra handimby an’i Davida raiko aho, sy mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely, araka ny efa voalazan’i Iaveh, sady efa nanao ny tranon’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia notanterahin’ny TOMPO araka izany tokoa ny fampanantenana nolazainy; fa nandimby an’i Davida raiko aho ary mipetraka amin’ny sezafiandrianan’i Israely araka ny voalazan’ny TOMPO, sady efa nanorina ity tempoly ity ho voninahitry ny TOMPO Andriamanitr’i Israely;
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah efa nahatanteraka ny teniny izay nolazainy, koa nitsangana handimby an'i Davida raiko aho ary mipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely tahaka ny efa nolazain'i Jehovah, sady efa nanao ny trano ho an'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO efa nahatanteraka ny teny izay nolazainy, koa nitsangana handimby an’i Davida raiko aho ary mipetraka amin’ny sezafiandrianan’ny Israely araka ny nolazain’NY TOMPO, sady nanorina ny trano ho an’ny anaran’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely.
malagasy