2 Chronicles 6:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa nanao lampivarahina izy, ary napetrany teo afovoan’ny kianja io; dimy hakiho ny lavany, dimy hakiho ny sakany, telo hakiho ny haavony; dia nitsangana teo amin’io izy ka nandohalika teo anatrehan’ny fiangonana, dia ny Israely rehetra, ary namelatra ny tanany manandrify ny lanitra
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nanao lampihazo varahina i Salômôna, dia natsangany teo afovoan’ny kianja: dimy hakiho ny lavany, dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny haavony. Niakatra teo izy, dia nandohalika nanatrika ny fiangonan’i Israely rehetra, sy nanandratra ny tanany hanandrandra ny lanitra,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efa nanao lampihalimo rahateo i Salômôna, dia lampihalimo izay napetrany teo afovoan’ny kianja: efamira izy io ka mirefy roa metatra sy sasany avy ny lafiny ary iray metatra sy sasany ny haavony. Dia niakatra teo ambonin’io lampihalimo io i Salômôna, ary nandohalika teo anatrehan’ny Israelita rehetra tafangona izy no nanandra-tanana manandrify ny lanitra
Malagasy Bible 1865
fa efa nanao fitaingenana varahina izy, ary napetrany teo afovoan'ny kianja io (dimy hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony); dia nitsangana teo amin'io izy ka nandohalika teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ary namelatra ny tànany manandrify ny lanitra
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa nanao lampivarahina izy, ary napetrany teo afovoan’ny kianja io; dimy hakiho* ny lavany, dimy hakiho ny sakany, telo hakiho ny haavony; dia nitsangana teo amin’io izy ka nandohalika teo anatrehan’ny fiangonana, dia ny Israely rehetra, ary namelatra ny tanany manandrify ny lanitra
malagasy
fa efa nanao fitaingenana varahina izy, ary napetrany teo afovoan'ny kianja io (dimy hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony); dia nitsangana teo amin'io izy ka nandohalika teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ary namelatra ny tànany manandrify ny lanitra