2 Chronicles 6:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka niteny hoe: RY TOMPO, Andriamanitry ny Israely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao, na any an-danitra na etỳ an-tany, izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindramponao ho an’ny mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin’ny fony manontolo,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary nanao hoe: «Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao, na any an-danitra na etỳ an-tany; mitandrina ny fanekena amam-pamindram-po amin’ny mpanomponao, izay mandeha eo anatrehanao amin’ny fony rehetra Ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka nivavaka hoe: «Ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao na any an- danitra na etỳ an-tany. Tandrovinao hatrany ny fanekempihavananao sy ny fitiavanao amin’ireo mpanomponao izay mizotra eo anatrehanao amin’ny fony manontolo.
Malagasy Bible 1865
ka nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao, na any an-danitra na etỳ an-tany, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao ho an'ny mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin'ny fony rehetra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka niteny hoe: RY TOMPO, Andriamanitry ny Israely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao, na any an-danitra na etỳ an-tany, izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindramponao ho an’ny mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin’ny fony manontolo,
malagasy