2 Chronicles 6:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
sady efa nahatanteraka tamin’i Davida raiko mpanomponao izay nolazainao taminy; fa nolazain’ny vavanao izany, dia notanterahin’ny tananao tahaka ny amin’izao anio izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy ny nitandremanao ny teninao tamin’i Davida raiko, mpanomponao, fa notanterahin’ny tananao ny efa voalazan’ny vavanao, araka izao hita anio izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efa notanterahinao tamin’i Davida raiko sady mpanomponao ny zavatra nampanantenainao azy; eny, izay voalazanao dia notontosainao araka izao hita anio izao.
Malagasy Bible 1865
sady efa nahatanteraka tamin'i Davida raiko mpanomponao ilay nolazainao taminy; fa nolazain'ny vavanao izany, dia notanterahin'ny tananao tahaka ny amin'izao anio izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
sady efa nahatanteraka tamin’i Davida raiko mpanomponao izay nolazainao taminy; fa nolazain’ny vavanao izany, dia notanterahin’ny tananao tahaka ny amin’izao anio izao.
malagasy
sady efa nahatanteraka tamin'i Davida raiko mpanomponao ilay nolazainao taminy; fa nolazain'ny vavanao izany, dia notanterahin'ny tananao tahaka ny amin'izao anio izao.