2 Chronicles 6:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa tanteraho amin’i Davida raiko mpanomponao, RY TOMPO, Andriamanitry ny Israely ô, ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako izay hipetraka amin’ny sezafiandrianan’ny Israely ianao, raha mitandrina ny alehany ny zanakao ka mankatò ny lalànako tahaka ny nandehananao teo anatrehako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ankehitriny, ry Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, tanteraho noho ny fitiavanao an’i Davida mpanomponao raiko, ny teny nataonao taminy hoe: ‹Tsy ho lany taranaka eo anatrehako ianao, fa hisy hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely mandrakizay, raha tany ny taranakao mitandrina ny lalana alehany ka mizotra amin’ny lalàko toy ny fandehananao eo anatrehako.›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, mba tanteraho hanambinana an’i Davida raiko sady mpanomponao ilay fampanantenana nataonao taminy, fony Ianao nilaza hoe: ‹Raha mitandrina fitondrantena ireo taranakao ka mizotra araka ny lalànako tahaka ny nataonao teo anatrehako, dia tsy ho diso zanakalahy amin’ireo ianao noho ny amiko, dia zanakalahy izay hanjaka handimby anao eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely.›
Malagasy Bible 1865
Koa tanteraho amin'i Davida raiko mpanomponao, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako ianao hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely, raha ny zanakao mitandrina ny alehany ka mankatò ny lalàko tahaka ny nandehananao teo anatrehako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa tanteraho amin’i Davida raiko mpanomponao, RY TOMPO, Andriamanitry ny Israely ô, ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako izay hipetraka amin’ny sezafiandrianan’ny Israely ianao, raha mitandrina ny alehany ny zanakao ka mankatò ny lalànako tahaka ny nandehananao teo anatrehako.
malagasy