2 Chronicles 6:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
mba hihiratan’ny masonao andro aman’alina amin’ity trano ity, dia amin’ny toerana nolazainao hoe: Ao no hasiako ny anarako mba hihainoanao ny vavaka izay ataon’ny mpanomponao manatrika ity toerana ity.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary ny masonao ataovy mihiratra andro aman’alina amin’ity trano ity, dia eto amin’ity fitoerana voalazanao hametrahana ny Anaranao ity, dia henoy ny vavaka ataon’ny mpanomponao eto amin’ity fitoerana ity.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka hojerenao amin-kamorampo andro aman’alina ity tempoly ity, dia ilay toerana nolazainao fa hampitoeranao ny voninahitrao! Koa mba henoy ny vavaka izay ataoko rehefa mitodika amin’ity toerana ity aho.
Malagasy Bible 1865
mba hihiratan'ny masonao andro aman'alina amin'ity trano ity, dia amin'ny fitoerana nolazainao hoe: Ao no hasiako ny anarako, hihainoanao ny vavaka izay ataon'ny mpanomponao manatrika ity fitoerana ity.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
mba hihiratan’ny masonao andro aman’alina amin’ity trano ity, dia amin’ny toerana nolazainao hoe: Ao no hasiako ny anarako mba hihainoanao ny vavaka izay ataon’ny mpanomponao manatrika ity toerana ity.
malagasy