2 Chronicles 6:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia mihainoa any an-danitra Ianao ka miasà, ary tsarao ireo mpanomponao, mba hovalina ny ratsy fanahy ka hampitsingerenina ho amin’ny lohany ny nataony, fa hohamarinina kosa ny marina ka homena azy araka ny fahamarinany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia mihainoa azy any an-danitra Ianao, manefà ary mitsarà ireo mpanomponao ireo, ka manameloha ny meloka manatsingerina amin’ny lohany izay nataony, ary hamarino ny tsy manan-tsiny, mamaly azy araka ny fahamarinany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia mba mihainoa any an-danitra Ianao, Tompo ô, ka midira an-tsehatra hitsara ireo mpanomponao ireo; dia sazio ny olo-meloka, ary atsingereno aminy ny ratsy nataony fa ambarao ho marina kosa ny olo-marina ka valio soa araka ny fahamarinany.
Malagasy Bible 1865
dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka manaova, ary mitsarà ny mpanomponao, hamaly ny ratsy fanahy ka hampitsingerina ny nataony ho amin'ny lohany, ary hanamarina ny marina kosa ka hanome azy araka ny fahamarinany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia mihainoa any an-danitra Ianao ka miasà, ary tsarao ireo mpanomponao, mba hovalina ny ratsy fanahy ka hampitsingerenina ho amin’ny lohany ny nataony, fa hohamarinina kosa ny marina ka homena azy araka ny fahamarinany.
malagasy