2 Chronicles 6:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia mihainoa any an-danitra Ianao ka mamelà ny fahotan’ny mpanomponao, dia ny Israely olonao, satria atoronao azy ny lalana tsara izay tokony halehany, ary mandatsaha ranonorana amin’ny taninao, izay nomenao ho lovan’ny olonao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mihainoa azy Ianao any an-danitra, avelao ny fahotan’ny mpanomponao sy i Israely vahoakanao, amin’ny fanoroana azy ny lalana tsara tokony halehany; ary alatsaho amin’ny tany nomenao ho lovan’ny vahoakanao, ny ranonorana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia mihainoa any an-danitra, Tompo ô, ka mamelà ny fahotan’ireo mpanomponao, izany hoe ny Israelita vahoakanao; ampianaro azy ny fitondrantena tsara izay tokony hizorany ary andatsaho ranonorana ity taninao izay nomenao ho fananan’ny vahoakanao ity.
Malagasy Bible 1865
dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan'ny mpanomponao, dia ny Isiraely olonao, satria atoronao azy ny lalana tsara izay tokony halehany, ary mandatsaha ranonorana amin'ny taninao, izay nomenao ho lovan'ny olonao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia mihainoa any an-danitra Ianao ka mamelà ny fahotan’ny mpanomponao, dia ny Israely olonao, satria atoronao azy ny lalana tsara izay tokony halehany, ary mandatsaha ranonorana amin’ny taninao, izay nomenao ho lovan’ny olonao.
malagasy