2 Chronicles 6:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka mba hatahotra Anao sy handeha amin’ny lalanao izy ireo amin’izay andro rehetra hiainany etỳ amin’ny tany nomenao ny razanay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mba hatahorany Anao eo am-pizorana amin’ny lalanao mandritra ny andro rehetra hiainany eo ambonin’ny tany nomenao ny razany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany no hataonao amin’ny Israelita, dia ny mba hanajany Anao sy hizorany amin’ny sori-dalanao mandritra ny andro rehetra hiainany eto amin’ity tany nomenao ny razanay ity.
Malagasy Bible 1865
mba hatahorany Anao sy handehanany amin'ny lalanao amin'izay andro rehetra hiainany etỳ amin'ny tany nomenao ny razanay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka mba hatahotra Anao sy handeha amin’ny lalanao izy ireo amin’izay andro rehetra hiainany etỳ amin’ny tany nomenao ny razanay.
malagasy
mba hatahorany Anao sy handehanany amin'ny lalanao amin'izay andro rehetra hiainany etỳ amin'ny tany nomenao ny razanay.