2 Chronicles 6:32 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Henoy koa ny vahiny izay tsy isan’ny Israely olonao, fa tonga avy any amin’ny tany lavitra noho ny amin’ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao mitsotra, koa raha avy izy ireo ka mivavaka manatrika ity trano ity
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ny amin’ny vahiny, tsy anisan’i Israely vahoakanao, fa avy an-tany lavitra, noho ny Anaranao lehibe, ny tananao mahery ary ny sandrinao ahinjitra, nony tonga hivavaka eto amin’ity trano ity izy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Mety hisy ny vahiny izay tsy anisan’ny Israelita vahoakanao; kanefa niainga avy any an-tany lavitra hankatỳ noho ny lazanao lehibe sy ny fiarovanao mahery ary ny fahefana ampiharinao. Rehefa tonga hivavaka mitodika amin’ity tempoly ity izy,
Malagasy Bible 1865
Ary henoy koa ny vahiny izay tsy isan'ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin'ny tany lavitra noho ny amin'ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao ahinjitra, koa raha avy izy ka mivavaka manatrika ity trano ity,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Henoy koa ny vahiny izay tsy isan’ny Israely olonao, fa tonga avy any amin’ny tany lavitra noho ny amin’ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao mitsotra, koa raha avy izy ireo ka mivavaka manatrika ity trano ity
malagasy