2 Chronicles 6:39 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia henoy any an-danitra fonenanao ny vavaka ataony sy ny fifonany ka omeo rariny izy; ary mamelà ny olonao izay efa nanota Taminao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mihainoa Ianao any an-danitra any amin’ny fitoeran’ny fonenanao, ny vavaka amam-pifonany, omeo rariny izy, ary avelao ny fahadisoan’ny vahoakanao, izay nataony taminao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia mba henoy avy any an-danitra toeram-ponenanao ny vavaka amam-pifonana ataony, Tompo ô, ka omeo rariny izy; ary dia avelao heloka ny vahoakanao izay efa nanota taminao!
Malagasy Bible 1865
dia henoy any an-danitra fonenanao ny fivavany sy ny fifonanao ka omeo rariny izy; ary mamelà ny olonao izay efa nanota taminao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia henoy any an-danitra fonenanao ny vavaka ataony sy ny fifonany ka omeo rariny izy; ary mamelà ny olonao izay efa nanota Taminao.
malagasy
dia henoy any an-danitra fonenanao ny fivavany sy ny fifonanao ka omeo rariny izy; ary mamelà ny olonao izay efa nanota taminao.