2 Chronicles 6:41 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ankehitriny, mitsangàna ho amin’ny fitsaharanao, RY TOMPO Andriamanitra ô, dia Ianao sy ny vata misy ny faneken’ny herinao! Aoka ny mpisoronao hitafy famonjena, RY TOMPO Andriamanitra ô, ary aoka ny olonao masina hifaly amin’ny soa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ankehitriny, ry Iaveh Andriamanitra, aoka hitsangana Ianao ho any amin’ny fitoerana fitsaharanao, dia Ianao sy ny fiaran’ny herinao! Aoka hitafy famonjena ny mpisoronao, ry Iaveh Andriamanitra, ary aoka hiarana amin’ny hasambarana ny olonao masina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitra ô, avia honina amin’ny toeram-pitsaharanao, dia Ianao sy ilay Vatamasina itoeran’ny herinao. Ry TOMPO Andriamanitra ô, aoka ny mpisoronao hitafy famonjena, ary aoka ireo mpivavaka aminao hifaly heni-kasambarana!
Malagasy Bible 1865
Koa ankehitriny mitsangàna, ry Jehovah Andriamanitra ô, ho amin'ny fitsaharanao, dia Hianao sy ny fiaran'ny herinao; aoka ny mpisoronao hitafy famonjena, Jehovah Andriamanitra ô. ary aoka ny olonao masina hifaly amin'ny soa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ankehitriny, mitsangàna ho amin’ny fitsaharanao, RY TOMPO Andriamanitra ô, dia Ianao sy ny vata misy ny faneken’ny herinao! Aoka ny mpisoronao hitafy famonjena, RY TOMPO Andriamanitra ô, ary aoka ny olonao masina hifaly amin’ny soa.
malagasy
Koa ankehitriny mitsangàna, ry Jehovah Andriamanitra ô, ho amin'ny fitsaharanao, dia Hianao sy ny fiaran'ny herinao; aoka ny mpisoronao hitafy famonjena, Jehovah Andriamanitra ô. ary aoka ny olonao masina hifaly amin'ny soa.Ry Jehovah Andriamanitra ô, aza lavinao ny voahosotrao; tsarovy ny famindram-po nampanantenaina an'i Davida mpanomponao.