2 Chronicles 6:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hatramin’ny andro nitondrako ny oloko nivoaka avy tany Ejipta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko hanorenana trano mba hitoeran’ny anarako tamin’ny fokon’Israely rehetra; tsy nisy koa olona nofidiko ho mpanapaka ny Israely oloko;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hatramin’ny andro namoahako ny vahoakako tany amin’ny tany Ejipta, tsy nisy tanàna nofidiko, teo amin’ny fokon’i Israely rehetra, hanaovan-trano hitoeran’ny Anarako, ary tsy nisy olona nofidiko ho mpanapaka an’i Israely vahoakako;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Hatramin’ny andro nitondrako ny vahoakako niala tany Ejipta, dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin’ny foko israelita rehetra hanaovana tempoly mba hitoeran’ny voninahitro; ary tsy mbola nisy koa olona nofidiko ho mpifehy an’i Israely vahoakako.
Malagasy Bible 1865
Hatramin'ny andro nitondrako ny oloko nivoaka avy tany Egypta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin'ny firenen'isiraely rehetra hanaovana trano mba hitoeran'ny anarako; ary tsy nisy olona nofidiko ho mpanapaka ny Isiraely oloko;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hatramin’ny andro nitondrako ny oloko nivoaka avy tany Ejipta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko hanorenana trano mba hitoeran’ny anarako tamin’ny fokon’Israely rehetra; tsy nisy koa olona nofidiko ho mpanapaka ny Israely oloko;
malagasy