2 Chronicles 7:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa vitan’i Solomona izany vavaka izany dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra hafa alatsa-dra; dia feno ny voninahitry NY TOMPO ny Trano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tapitra ny vavak’i Salômôna, dia nodoran’ny afo avy any an-danitra ny sorona dorana mbamin’ny sorona ary nameno ny trano ny voninahitr’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa vitan’i Salômôna izany vavaka izany, dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra sy nandevona ny sorona dorana manontolo mbamin’ny sorom-pihavanana, ka feno ny voninahitry ny TOMPO ny tempoly.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa vita izany vavak'i Solomona izany, dia nisy afo latsaka avy tany an-danitra ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà, ka feno ny voninahitr'i Jehovah ny trano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary rehefa vita izany vavak'i Solomona izany, dia nisy afo latsaka avy tany an-danitra ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà, ka feno ny voninahitr'i Jehovah ny trano.