2 Chronicles 7:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia hongotako amin’ny tany izay nomeko anareo ianareo; ary hofongorako tsy ho eo imasoko ity trano nohamasiniko ho an’ny anarako ity sady hataoko ho fiteny sy ho faneso any amin’ny firenena rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia hofongorako amin’ny taniko izay nomeko azy izy ireo; ity trano nohamasiniko ho an’ny Anarako ity, hariako tsy ho eo anatrehako, sy hataoko zary fandatsa sy fanarabin’ny olona any amin’ny firenena rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia hongotako ianareo tsy amin’ny taniko izay nomeko anareo; ary hariako lavitra Ahy ity tempoly izay natokako hanajana ny anarako ity. Amin’izay ianareo Israelita dia hataoko fandatsa sy fanaraby any amin’ny firenen-kafa rehetra.
Malagasy Bible 1865
dia hongotako amin'ny tany izay nomeko anareo; ary hofongorako tsy ho eo imasoko ity trano nohamasiniko ho an'ny anarako ity sady hataoko ho ohabolana sy ho ambentinteny any amin'ny firenena rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia hongotako amin’ny tany izay nomeko anareo ianareo; ary hofongorako tsy ho eo imasoko ity trano nohamasiniko ho an’ny anarako ity sady hataoko ho fiteny sy ho faneso any amin’ny firenena rehetra.
malagasy
dia hongotako amin'ny tany izay nomeko anareo; ary hofongorako tsy ho eo imasoko ity trano nohamasiniko ho an'ny anarako ity sady hataoko ho ohabolana sy ho ambentinteny any amin'ny firenena rehetra. [Heb. azy]