2 Chronicles 7:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hisy hamaly hoe: Satria nahafoy NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta ny olona ka nifikitra tamin’ny andriamanitra hafa sady niankohoka teo anatrehany sy nanompo azy, koa izany no nampidirany izao loza rehetra izao taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hamaly ny olona hanao hoe: Satria izy ireo nahafoy an’i Iaveh Andriamanitry ny razany izay namoaka azy tany amin’ny tany Ejipta, ary nifikitra tamin’andriamani-kafa, niankohoka teo anatrehan’ireny, ary nanompo ireny, ka izany no nampianjerany an’izao loza rehetra izao taminy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hisy olona hamaly hoe: «Satria nilaozan’ny Israelita ny Tompo Andriamanitry ny razany, dia Ilay nitondra azy niala tany Ejipta; ary nifikitra tamin’andriamani-kafa ireo sady niankohoka teo anatrehany sy nanompo azy, ka dia nampiharan’ny TOMPO izao loza isan-karazany izao.»
Malagasy Bible 1865
Ary hisy hamaly hoe: Satria nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta izy ka nikikitra tamin'andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany sy nanompo azy, koa izany no nampidirany izao loza rehetra izao taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hisy hamaly hoe: Satria nahafoy NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta ny olona ka nifikitra tamin’ny andriamanitra hafa sady niankohoka teo anatrehany sy nanompo azy, koa izany no nampidirany izao loza rehetra izao taminy.
malagasy