2 Chronicles 7:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony hitan’ny Zanak’Israely rehetra ny nilatsahan’ny afo sy ny voninahitry NY TOMPO teo ambonin’ny Trano dia niankohoka tamin’ny lampivato izy ka nivavaka sy nidera NY TOMPO fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindrampony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahita ny nilatsahan’ny afo sy ny voninahitr’i Iaveh teo ambonin’ny trano ny zanak’i Israely rehetra, ka niankohoka tamin’ny tany tamin’ny lampivato, niankohoka nidera an’i Iaveh nanao hoe: «Fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony hitan’ny Israelita rehetra kosa ny nilatsahan’ny afo sy ny voninahitry ny TOMPO teo amin’ny tempoly, dia niankohoka nitehina ny lampivato izy ka nitsaoka ny TOMPO sy nidera Azy hoe: «Eny, tsara Izy sady maharitra mandrakizay ny fitiavany».
Malagasy Bible 1865
Ary nony hitan'ny Zanak'Isiraely rehetra ny nilatsahan'ny afo sy ny voninahitr'i Jehovah teo ambonin'ny trano, dia niankohoka tamin'ny lampivato izy ka nivavaka sy nidera an'i Jehovah, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony hitan’ny Zanak’Israely rehetra ny nilatsahan’ny afo sy ny voninahitry NY TOMPO teo ambonin’ny Trano dia niankohoka tamin’ny lampivato izy ka nivavaka sy nidera NY TOMPO fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindrampony.
malagasy