2 Chronicles 8:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nitondra ny zanakavavin’ny Farao niakatra avy tao an-Tanànan’i Davida ho ao amin’ny trano izay nataony ho azy i Solomona, satria hoy izy: Ny vadiko dia tsy mahazo mitoetra ao an-tranon’i Davida, mpanjakan’ny Israely, fa masina izay efa nidiran’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nasain’i Salômôna niakatra avy any an-tanànan’i Davida, ny zanaka vavin’i Faraôna, ho ao amin’ny trano nataony ho azy, fa hoy izy: «Tsy hitoetra ao an-tranon’i Davida mpanjakan’i Israely ny vadiko, satria masina izany fitoerana izany, izay efa nidiran’ny fiaran’Andriamanitra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nasain’i Salômôna niakatra avy any an- tanànan’i Davida ho ao amin’ny trano izay nataony ho azy ny zanakavavin’ny Farao; fa hoy i Salômôna anakampony hoe: «Na dia ny vadiko aza tsy hitoetra ao an-dapan’i Davida mpanjakan’i Israely, satria masina ireo toerana izay efa nidiran’ny Vatamasin’ny TOMPO.»
Malagasy Bible 1865
Ary Solomona nitondra ny zanakavavin'i Farao niakatra avy tany an-Tanànan'i Davida ho ao amin'ny trano izay nataony ho azy, fa hoy izy: Ny vadiko tsy mahazo mitoetra ao an-tranon'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, fa masina izay efa nidiran'ny fiaran'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nitondra ny zanakavavin’ny Farao niakatra avy tao an-Tanànan’i Davida ho ao amin’ny trano izay nataony ho azy i Solomona, satria hoy izy: Ny vadiko dia tsy mahazo mitoetra ao an-tranon’i Davida, mpanjakan’ny Israely, fa masina izay efa nidiran’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO.
malagasy