2 Chronicles 8:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
eny, nanolotra izay fanao isanandro izy araka ny didin’i Mosesy, dia tamin’ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fotoam-pivavahana intelo isan-taona, dia tamin’ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manaraka ireo Herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka izay voadidin’ny lalàn’i Môizy dia nateriny isan’andro sy isan-tsabata; ary amin’ny voalohan’ny volana, sy amin’ny fety intelo isan-taona: dia ny fetin’ny azima, ny fetin’ny herinandro, ary ny fetin’ny tabernakla.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Araka ny didin’i Mosesy dia nanatitra izay fanao isan’andro i Salômôna tamin’ny sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fety lehibe telo isan-taona, izany hoe ny fety fihinanana mofo tsy misy leviora, ny fetin’ny Pentekôsta ary ny fetin’ny Tranotomboka.
Malagasy Bible 1865
eny, nanatitra izay fanao isanandro izy araka ny didin'i Mosesy dia tamin'ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fotoam-pivavahana intelo isan-taona, dia tamin'ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
eny, nanolotra izay fanao isanandro izy araka ny didin’i Mosesy, dia tamin’ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fotoam-pivavahana intelo isan-taona, dia tamin’ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manaraka ireo Herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo.
malagasy