2 Chronicles 8:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Notendreny koa ny antokon’ny mpisorona, araka ny nandaharan’i Davida rainy azy ho amin’ny fanompoany avy, ary ny levita koa ho amin’ny anjara raharahany, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan’ny mpisorona araka ny raharaha fanao isanandro, ary ny mpiandry varavarana dia araka ny antokony amin’ny isam-bavahady; fa izany no didy nomen’i Davida, lehilahin’Andriamanitra, azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Notendreny, araka ny nandaharan’i Davida rainy azy, ny antokon’ny mpisorona ho amin’ny fanompoany, sy ny Levita ho amin’ny anjara raharahany, hankalaza an’i Iaveh sy hanao fanompoana eo anoloan’ny mpisorona, araka ny fandaharana ny andro isany, ary ny mpiandry varavarana ho an’ny isam-baravarana araka ny antokony avy, fa toy izany no nandaharan’i Davida, olon’Andriamanitra, azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Araka ny fandaharan’i Davida rainy, dia notendren’i Salômôna ny antokon’ny mpisorona ho amin’ny fanompoany avy ary ny levita ho amin’ny raharahany, dia ny hidera ny Tompo sy hanampy ny mpisorona amin’ny fanompoam-pivavahana fanao isan’andro; notendreny koa ny mpiandry varavarana, araka ny antokony amin’ny isam-bavahady. Izany rahateo no nandidian’i Davida olon’Andriamanitra azy.
Malagasy Bible 1865
Ary notendreny koa ny antokon'ny mpisorona araka ny nandaharan'i Davida rainy azy ho amin'ny fanompoany avy ary ny Levita ho amin'ny anjara-raharahany koa, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan'ny mpisorona araka ny raharaha fanao isan'andro, ary ny mpiandry varavarana araka ny antokony amin'ny isam-bavahady; fa izany no nandidian'i Davida lehilahin'Andriamanitra, azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Notendreny koa ny antokon’ny mpisorona, araka ny nandaharan’i Davida rainy azy ho amin’ny fanompoany avy, ary ny levita* koa ho amin’ny anjara raharahany, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan’ny mpisorona araka ny raharaha fanao isanandro, ary ny mpiandry varavarana dia araka ny antokony amin’ny isam-bavahady; fa izany no didy nomen’i Davida, lehilahin’Andriamanitra, azy.
malagasy
Ary notendreny koa ny antokon'ny mpisorona araka ny nandaharan'i Davida rainy azy ho amin'ny fanompoany avy ary ny Levita ho amin'ny anjara-raharahany koa, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan'ny mpisorona araka ny raharaha fanao isan'andro, ary ny mpiandry varavarana araka ny antokony amin'ny isam-bavahady; fa izany no nandidian'i Davida lehilahin'Andriamanitra, azy.