2 Chronicles 8:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary ny mpanompon’i Hirama dia nampandehaniny hitondra sambo sy mpanompo izay mahay ranomasina; niara-nandeha tamin’ny mpanompon’i Solomona ho any Ofira ireo ka nahazo volamena milanja dimampolo sy efajato talenta tany, dia noentiny tany amin’i Solomona mpanjaka izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nampanaterin’i Hirama sambo sy mpanompo mahay ranomasina ho azy, ny mpanompony. Dia niara-nandeha tamin’ny mpanompon’i Salômôna ireo, ho any Ofira, dia naka talenta volamena 450 ireo, nentiny ho any amin’i Salômôna mpanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nandefa sambo sy matilò mahay ranomasina i Hirama, tamin’ny alalan’ireo tandapany; ary nandeha niaraka tamin’ny tantsambon’i Salômôna ho any Ôfira ireo, ka nahazo volamena 13 taonina mahery ary nitondra izany ho an’i Salômôna mpanjaka.
Malagasy Bible 1865
ary ny mpanompon'i Hirama dia nampandehaniny hitondra sambo sy mpanompo izay mahay ranomasina; ary niara-nandeha tamin'ny mpanompon'i Solomona ho any Ofira ireo ka nahazo talenta volamena dimam-polo amby efa-jato tany izy, dia nentiny tany amin'i Solomona mpanjaka izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary ny mpanompon’i Hirama dia nampandehaniny hitondra sambo sy mpanompo izay mahay ranomasina; niara-nandeha tamin’ny mpanompon’i Solomona ho any Ofira ireo ka nahazo volamena milanja dimampolo sy efajato talenta* tany, dia noentiny tany amin’i Solomona mpanjaka izany.
malagasy
ary ny mpanompon'i Hirama dia nampandehaniny hitondra sambo sy mpanompo izay mahay ranomasina; ary niara-nandeha tamin'ny mpanompon'i Solomona ho any Ofira ireo ka nahazo talenta volamena dimam-polo amby efa-jato tany izy, dia nentiny tany amin'i Solomona mpanjaka izany.