2 Chronicles 8:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
tahaka izany koa i Baleta, ny tanàna fitahirizana rehetra izay an’i Solomona, ny tanàna rehetra fitoeran’ny kalesy fitondra miady, ny tanàna fitoeran’ny mpitaingin-tsoavaly ary izay rehetra tian’i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin’ny tany nanjakany rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Baalata mbamin’ny tanàna fitahirizana rehetra izay an’i Salômôna, ny tanàna rehetra ho an’ny kalesy, ny tanàna ho an’ny mpitaingin-tsoavaly, mbamin’izay rehetra tian’i Salômôna naorina tany Jerosalema sy tany Libàna ary tany amin’ny tany rehetra nanapahany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
toraka izany ihany koa i Bahalato sy ny tanàna rehetra fitahirizam-bokatra na fitobian-kalesy na fitoeran-tsoavaly. Natsangan’i Salômôna avokoa izay rehetra tiany haorina tao Jerosalema sy tany Libano ary manerana ny tany nofeheziny.
Malagasy Bible 1865
ary Baleta sy ny tanàna fitehirizana rehetra izay an'i Solomona sy ny tanàna rehetra fitoeran-kalesy sy ny tanàna fitoeran'ny mpitaingin-tsoavaly ary izay rehetra tian'i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin'ny tany nanjakany rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
tahaka izany koa i Baleta, ny tanàna fitahirizana rehetra izay an’i Solomona, ny tanàna rehetra fitoeran’ny kalesy fitondra miady, ny tanàna fitoeran’ny mpitaingin-tsoavaly ary izay rehetra tian’i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin’ny tany nanjakany rehetra.
malagasy