2 Chronicles 9:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nahare ny lazan’i Solomona ny mpanjakavavin’i Sheba dia tonga tany Jerosalema hizaha toetra azy tamin’ny fanontaniana sarotra, ary marobe ny mpanotrona azy, sady be koa ny rameva izay nitondra zavamanitra sy volamena sesehena ary vatosoa. Rehefa tonga tao amin’i Solomona izy dia niresaka taminy izay rehetra tao am-pony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa nandre ny lazan’i Salômôna ny mpanjakavavin’i Sabà, dia tonga tao Jerosalema izy, hizaha toetra an’i Salômôna amin’ny ankamantatra, narahin’ny kalesy maro be sy rameva nitondra zava-manitra, volamena be dia be, ary vato soa koa. Nandroso ho any amin’i Salômôna izy, dia nolazainy tamin’ny vahoaka izay rehetra tao am-pony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nahare ny lazan’i Salômôna ny mpanjakavavin’i Sebà, ka avy hitsapa azy tamin’ny fanontaniana sarotra. Dia tonga tany Jerosalema izy sy ny mpanaraka azy marobe narahin’ny rameva, nivesatra zava-manitra sy volamena ary vatosoa. Rehefa mby tao amin’i Salômôna ity mpanjakavavy, dia nilaza taminy izay rehetra tao am-pony.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjakavavin'i Sheba, rehefa ny nahare ny lazan'i Solomona, dia tonga tany Jerosalema hizaha toetra azy tamin'ny fanontaniana sarotra, ary maro be ny mpanaraka azy, sady be koa ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tao amin'i Solomona izy, dia niresaka taminy ny amin'izay rehetra tao am-pony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nahare ny lazan’i Solomona ny mpanjakavavin’i Sheba dia tonga tany Jerosalema hizaha toetra azy tamin’ny fanontaniana sarotra, ary marobe ny mpanotrona azy, sady be koa ny rameva izay nitondra zavamanitra sy volamena sesehena ary vatosoa. Rehefa tonga tao amin’i Solomona izy dia niresaka taminy izay rehetra tao am-pony.
malagasy
[Sy namangian'ny mpanjakavavin'i Sheba an'i Solomona] Ary ny mpanjakavavin'i Sheba, rehefa ny nahare ny lazan'i Solomona, dia tonga tany Jerosalema hizaha toetra azy tamin'ny fanontaniana sarotra, ary maro be ny mpanaraka azy, sady be koa ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tao amin'i Solomona izy, dia niresaka taminy ny amin'izay rehetra tao am-pony.