2 Chronicles 9:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Solomona mpanjaka kosa dia nanome izay rehetra nirin’ny mpanjakavavin’i Sheba na inona na inona nangatahiny, mihoatra noho izay noentiny ho an’ny mpanjaka; dia niverina izy, ary lasa nody tany amin’ny taniny izy mbamin’ny mpanompony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nomen’i Salômôna an’ny mpanjakavavin’i Sabà avokoa izay niriny sy nangatahiny, mihoatra noho izay nentiny ho an’ny mpanjaka aza. Dia niverina izy, ka lasa nody any amin’ny taniny, izy mbamin’ny mpanompony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tetsy andanin’izany kosa dia nomen’i Salômôna mpanjaka ho an’ny mpanjakavavin’i Sebà avokoa izay rehetra nirîny ka nangatahiny; ary nihoatra lavitra noho izay nentiny ho an’ny mpanjaka izany. Avy eo ilay mpanjakavavy sy ireo mpanompony dia niverina nody tany amin’ny taniny.
Malagasy Bible 1865
Ary Solomona mpanjaka dia nanome ny mpanjakavavin'i Sheba kosa izay rehetra niriny, na inona na inona nangatahiny, afa-tsy izay valin'ny nentiny ho an'ny mpanjaka; ka dia niverina izy, ary lasa nody tany amin'ny taniny izy mbamin'ny mpanompony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Solomona mpanjaka kosa dia nanome izay rehetra nirin’ny mpanjakavavin’i Sheba na inona na inona nangatahiny, mihoatra noho izay noentiny ho an’ny mpanjaka; dia niverina izy, ary lasa nody tany amin’ny taniny izy mbamin’ny mpanompony.
malagasy