2 Chronicles 9:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanao ampinga volamena lehibe roanjato tamin’ny volamena voafisaka i Solomona mpanjaka ka takelaka volamena milanja sekela eninjato no napetaka tamin’ny ampinga lehibe iray.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin’ny volamena voatefy i Salômôna mpanjaka ka volamena enin-jato sikla avy no lany tamin’ny isan’ampinga;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nampamboatra ampingabe roanjato tamina metaly miharo volamena i Salômôna mpanjaka; ka lanjam-bolamena enina kilao avy no nilaina isan’ampinga.
Malagasy Bible 1865
Ary Solomona mpanjaka nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely enin-jato no napetaka tamin'ny ampinga lehibe iray.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanao ampinga volamena lehibe roanjato tamin’ny volamena voafisaka i Solomona mpanjaka ka takelaka volamena milanja sekela eninjato no napetaka tamin’ny ampinga lehibe iray.
malagasy
Ary Solomona mpanjaka nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely enin-jato no napetaka tamin'ny ampinga lehibe iray.