2 Chronicles 9:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanao ampinga volamena telonjato tamin’ny volamena voafisaka koa izy ka takelaka volamena milanja sekela telonjato no napetaka tamin’ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin’ny trano Alan’i Libanona ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary ampinga madinika telon-jato tamin’ny volamena voatefy, volamena telon-jato sikla avy no lany tamin’ny isan’ampinga, dia napetraky ny mpanjaka tao amin’ilay trano alan’i Libàna ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nampamboatra ampinga kely telonjato tamina metaly miharo volamena koa izy; ka lanjam-bolamena telo kilao avy no nilaina isan’ampinga. Ary napetran’ny mpanjaka tao amin’ilay trano antsoina hoe «Alan’i Libano » ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary nanao ampinga volamena telonjato koa izy tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely telon-jato no napetaka tamin'ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin'ny trano Alan'i Libanona lreo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanao ampinga volamena telonjato tamin’ny volamena voafisaka koa izy ka takelaka volamena milanja sekela telonjato no napetaka tamin’ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin’ny trano Alan’i Libanona ireo.
malagasy