2 Chronicles 9:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy ambaratonga enina tamin’ny sezafiandrianana ary fitoeran-tongotra volamena izay naraikitra tamin’ny sezafiandrianana. Nisy fitehenana teo an-daniny roa tamin’ny fipetrahana, ary nisy sarivongana liona roa teo akaikin’ny fitehenan-tanana;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Io seza fiandrianana io, dia nisy ambaratonga enina, fitoeran-tongotra volamena iray raiki-tena amin’ny seza fiandrianana, fitehenan-tanana teo an-daniny avy amin’ny fipetrahana, liona roa manolotra ireo fitehenan-tanana,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy zanatohatra enina tamin’io sezafiandrianana io ary koa fitoeran-tongotra volamena, izay naraikitra taminy; ary nasiana fitehenan-tanana teo andaniny roa amin’ny fipetrahana. Nisy sarin-diona iray avy teo ankilan’ny fitehenan-tanana;
Malagasy Bible 1865
Nisy ambaratonga enina amin'ny seza fiandrianana sy fitoeran-tongotra volamena, izay naraikitra tamin'ny seza fiandrianana, ary nisy fitehenana teo an-daniny roa tamin'ny fipetrahana ary nisy sarin-diona roa teo an-danin'ny fitehenan-tanana;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy ambaratonga enina tamin’ny sezafiandrianana ary fitoeran-tongotra volamena izay naraikitra tamin’ny sezafiandrianana. Nisy fitehenana teo an-daniny roa tamin’ny fipetrahana, ary nisy sarivongana liona roa teo akaikin’ny fitehenan-tanana;
malagasy