2 Chronicles 9:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny kapoaka fisotroan’i Solomona mpanjaka dia volamena avokoa ary ny fanaka rehetra tao amin’ny trano Alan’i Libanona koa dia volamena voafantina avokoa; tsy nisy volafotsy ireo, fa natao toy ny tsinontsinona izany tamin’ny andron’i Solomona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Volamena avokoa ny kapoaka fisotroan’i Salômôna mpanjaka, volamena madio avokoa ny fana-pihinanana tao amin’ny trano alan’i Libàna. Tsy nisy volafotsy na dia iray aza, fa natao tsinontsinona izany, tamin’ny andron’ny Salômôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Volamena avokoa ny tsatokaty fisotroan’i Salômôna mpanjaka; ary volamena tsara avokoa ny kojakoja rehetra tao amin’ilay trano antsoina hoe «Alan’i Libano.» Tsy nisy vita volafotsy ireo, satria noheverina ho tsy dia sarobidy loatra izany tamin’ny andron’i Salômôna.
Malagasy Bible 1865
Ary ny fisotroan'i Solomona mpanjaka dia volamena avokoa, ary ny fanaka rehetra tao amin'ny trano Alan'i Libanona koa dia volamena tsara avokoa; tsy nisy volafotsy ireo, fa natao toy ny tsinontsinona izany tamin'ny andron'i Solomona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny kapoaka fisotroan’i Solomona mpanjaka dia volamena avokoa ary ny fanaka rehetra tao amin’ny trano Alan’i Libanona koa dia volamena voafantina avokoa; tsy nisy volafotsy ireo, fa natao toy ny tsinontsinona izany tamin’ny andron’i Solomona.
malagasy