2 Chronicles 9:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Solomona dia nanana tranon-tsoavaly mpitarika kalesy fitondra miady efatra arivo ary soavaly fitaingina roa arivo sy iray alina, izay nataony tao amin’ireo tanàna fitoeran-kalesy fitondra miady sy tao amin’ny mpanjaka tany Jerosalema.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanana fihinanam-bilona 4.000 i Salômôna, ho an’ny soavaliny hatao amin’ny kalesiny, ary mpitaingin-tsoavaly 12.000, izay napetrany tamin’ireo tanàna fitoeran-kalesy ary tao Jerosalema akaikin’ny mpanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanana efitrano efatra arivo i Salômôna mba ho fitoeran-tsoavaly aman-kalesy; nisy 12 000 ireo soavaly fitaingina, ka nisy natobiny tany amin’ireo tanàna fitoeran-kalesy ary nisy notanany teo akaikiny tao Jerosalema.
Malagasy Bible 1865
Ary Solomona nanana efi-trano efatra arivo fitoeran'ny soavaly mpitarika kalesy ary soavaly fitaingina roa arivo sy iray alina, izay nataony tao amin'ireo tanàna fitoeran-kalesy sy tao amin'ny mpanjaka tany Jerosalema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Solomona dia nanana tranon-tsoavaly mpitarika kalesy fitondra miady efatra arivo ary soavaly fitaingina roa arivo sy iray alina, izay nataony tao amin’ireo tanàna fitoeran-kalesy fitondra miady sy tao amin’ny mpanjaka tany Jerosalema.
malagasy