2 Chronicles 9:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny tantaran’i Solomona sisa, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, tsy efa voasoratra ao amin’ny bokin’i Natana mpaminany sy ao amin’ny faminanian’i Ahia silonita ary ao amin’ny fahitan’Ido mpahita ny amin’i Jeroboama, zanak’i Nebata va izany?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny sisa tamin’ny asan’i Salômôna, na ny voalohany na ny farany, moa tsy dia efa voasoratra va izany ao amin’ny bokin’i Natàna mpaminany, sy amin’ny faminanian’i Ahiasa avy any Silô, ary amin’ny fahitan’i Adô ny amin’i Jerôbôama zanak’i Nabata?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny sisa amin’ny tantaran’i Salômôna, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin’ireo boky milohateny hoe Asan’i Natàna mpaminany sy Faminanian’i Ahià avy any Silao ary Fahitàn’i Hidao. –Ity boky farany ity dia mitantara ny amin’i Jerôbohama, zanakalahin’i Nebata–.
Malagasy Bible 1865
Ary ny tantaran'i Solomona sisa, na ny voalohany na ny farany. tsy efa voasoratra va izany ao amin'ny bokin'i Natana mpaminany sy amin'ny faminanian'i Ahia Silonita sy amin'ny fahitan'Ido mpahita ny amin'i Jeroboama, zanak'i Nebata?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny tantaran’i Solomona sisa, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, tsy efa voasoratra ao amin’ny bokin’i Natana mpaminany sy ao amin’ny faminanian’i Ahia silonita ary ao amin’ny fahitan’Ido mpahita ny amin’i Jeroboama, zanak’i Nebata va izany?
malagasy