2 Chronicles 9:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ny sakafo teo amin’ny latabany, ny fonenan’ny tandapany, ny fahaizan’ny mpanompony mbamin’ny fitafian’ireo sy ny mpitondra kapoakany mbamin’ny fitafian’ireo, ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO, dia talanjona terỳ izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ny sakafo teo ambony latabany, ny efitranon’ny mpanompony; ny efitrano amam-pitafian’ny mpiasa an-tranony, ny mpandroso divay ao aminy amam-pitafian’ireo, ary ny ambaratonga fiakarany ho ao an-tranon’i Iaveh, dia talanjona foana teo izy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ny sakafo fihinana teo amin’ny latabany sy ny toeram-ponenan’ny tandapany ary koa ny fahamendrehana amam-pitafian’ireo mpandroso sakafo sy mpitondra divay, ny ambaratongan-tohatra izay niakaran’i Salômôna ho ao an- tranon’ny TOMPO, dia talanjona aoka izany izy
Malagasy Bible 1865
sy ny hanim-pihinany teo amin'ny latabany, sy ny fipetrahan'ny tandapany sy ny fitoeran'ny mpanompony mbamin'ny fitafian'ireo sy ny mpitondra kapoakany sy ny fitafian'ireo, ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon'i Jehovah, dia talanjona terỳ izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ny sakafo teo amin’ny latabany, ny fonenan’ny tandapany, ny fahaizan’ny mpanompony mbamin’ny fitafian’ireo sy ny mpitondra kapoakany mbamin’ny fitafian’ireo, ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO, dia talanjona terỳ izy.
malagasy