2 Corinthians 1:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izao no ataonay ho rehareha: Ny fieritreretanay no vavolombelona fa tamin’ny fahatsorana sy ny fahadiovam-po avy amin’Andriamanitra, ary tsy tamin’ny fahendrena ara-nofo, fa tamin’ny fahasoavan’Andriamanitra, no nitondranay tena teo amin’izao tontolo izao, indrindra fa teo aminareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izao no voninahitray: ny kônsiansinay no vavolombelona fa tamim-pahatsoram-po sy tamin-kitsim-po teo anatrehan’Andriamanitra, ary tsy tamin’ny fahendren’ny nofo, fa tamin’ny fahasoavan’Andriamanitra, no nitondranay tena tamin’izao tontolo izao, fa indrindra taminareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao manko no ireharehanay: ny fieritreretanay dia vavolombelona manambara fa ny fomba nitondranay tena teto amin’izao tontolo izao, indrindra teo aminareo, dia tamin’ny fahatsorana sy hitsimpo nomen’Andriamanitra; satria ny fahasoavan’Andriamanitra no nitarika anay fa tsy ny fahendren’olombelona.
Malagasy Bible 1865
Fa izao no ataonay ho voninahitray: ny fieritreretanay no vavolombelona fa tamin'ny fahamasinana sy ny fahadiovam-po avy amin'Andriamanitra, tsy tamin'ny fahendren'ny nofo, fa tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra, no nitondranay tena teo amin'izao tontolo izao, mainka fa teo aminareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izao no ataonay ho rehareha: Ny fieritreretanay no vavolombelona fa tamin’ny fahatsorana sy ny fahadiovam-po avy amin’Andriamanitra, ary tsy tamin’ny fahendrena ara-nofo, fa tamin’ny fahasoavan’Andriamanitra, no nitondranay tena teo amin’izao tontolo izao, indrindra fa teo aminareo.
malagasy