2 Corinthians 1:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary miantso an’Andriamanitra ho vavolombelona ny amin’ny fanahiko aho, fa ny fialako nenina aminareo ihany no tsy mbola nankanesako tatỳ Korinto.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary mianiana amin’ny fanahiko aho, sy miantso an’Andriamanitra ho vavolombelona fa fitsitsiako anareo no mbola tsy nankanesako atỳ Kôrinto indray;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Antsoiko ho vavolombeloko Andriamanitra, satria fantany ny ato am-poko: fitsimbinako anareo no nahatapa-kevitra ahy tsy hiverina any Kôrinto.
Malagasy Bible 1865
Ary izaho miantso an'Andriamanitra ho vavolombelona ny amin'ny fanahiko, fa ny fialàko nenina aminareo ihany no tsy mbola nankanesako tatỳ Korinto.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary miantso an’Andriamanitra ho vavolombelona ny amin’ny fanahiko aho, fa ny fialako nenina aminareo ihany no tsy mbola nankanesako tatỳ Korinto.
malagasy
Ary izaho miantso an'Andriamanitra ho vavolombelona ny amin'ny fanahiko, fa ny fialàko nenina aminareo ihany no tsy mbola nankanesako tatỳ Korinto.Kanefa tsy mihambo ho tompon'ny finoanareo izahay, fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo, satria finoana no itoeranareo.