2 Corinthians 1:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha ampahorina izahay dia ho fampiononana sy famonjena anareo izany; ary raha ampiononina izahay dia ho fampiononana anareo izany ka miasa amin’ny fiaretanareo fahoriana mitovy indrindra amin’izay entinay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha azom-pahoriana izahay, dia ho fanalana alahelo sy famonjena anareo izany; ary raha alàna alahelo izahay, dia ho fanalana alahelo anareo koa izany, fa mahatonga anareo handefitra tsara ireny fahoriana entinay ireny ihany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha ampahorîna izahay, dia ho fampaherezana anareo sy ho famonjena anareo izany; raha ampaherezina izahay, dia ho fampaherezana anareo koa izany, ka miasa hiaretanareo fijaliana mitovy indrindra amin’izay entinay.
Malagasy Bible 1865
Ary raha ampahorina izahay, dia ho fampiononana sy famonjena anareo izany; ary raha ampiononina izahay, dia ho fampiononana anareo izany, ka miasa amin'ny fiaretanareo fahoriana mitovy indrindra amin'izay entinay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha ampahorina izahay dia ho fampiononana sy famonjena anareo izany; ary raha ampiononina izahay dia ho fampiononana anareo izany ka miasa amin’ny fiaretanareo fahoriana mitovy indrindra amin’izay entinay.
malagasy