2 Corinthians 1:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’ny fahoriana izay nanjo anay tany Azia, fa novesarana indrindra mihoatra noho ny zakanay izahay ka efa saika nafoinay hatramin’ny ainay aza;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry kristianina havana, ny amin’ny fahoriana nanjò anay tany Azia, fa novesarana tsy eran’aina sy tafahoatra ny zakanay izahay, ka efa tsy nanampò izay ho velona intsony;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tianay, ry havako, ny hahalalanareo ny fahoriana nanjo anay tany amin’ny faritany Azia; nitambesatra loatra taminay izany ary tafahoatra ny zakanay, ka tsy nanantena intsony izay hoe mbola ho velona izahay.
Malagasy Bible 1865
Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'ny fahoriana izay nanjo anay tany Asia, fa novesarana indrindra mihoatra noho ny zakanay izahay, ka dia efa nafoinay na dia ny ainay aza;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’ny fahoriana izay nanjo anay tany Azia, fa novesarana indrindra mihoatra noho ny zakanay izahay ka efa saika nafoinay hatramin’ny ainay aza;
malagasy
Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'ny fahoriana izay nanjo anay tany Asia, fa novesarana indrindra mihoatra noho ny zakanay izahay, ka dia efa nafoinay na dia ny ainay aza;