2 Corinthians 10:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny tenako, izaho Paoly, dia mananatra anareo amin’ny halemem-panahy sy ny hamoram-pon’i Kristy, dia izaho izay manetry tena, hono, raha eo anatrehanareo, fa feno fahasahiana aminareo kosa raha tsy eo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny tenako, izaho Paoly, mihanta aminareo noho ny halemem-panahy sy ny hatsaram-pon’i Kristy, dia izaho izay manetry tena aminareo, hono, raha eo anatrehanareo, fa sahy aminareo kosa nony tsy eo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izaho Paoly mihitsy no manainga anareo, dia izaho izay lazaina fa manetry tena rehefa manoloana anareo, nefa henjana aminareo rehefa lavitra anareo. Miangavy anareo amin’ny fahalemem-panahy sy hamoram-pon’i Kristy aho:
Malagasy Bible 1865
Ary ny tenako, izaho Paoly, dia mananatra anareo amin'ny hamoram-panahy sy ny fandeferan'i Kristy, dia izaho, izay manetry tena, hono, raha eo anatrehanareo, fa sahy aminareo kosa, raha tsy eo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny tenako, izaho Paoly, dia mananatra anareo amin’ny halemem-panahy sy ny hamoram-pon’i Kristy*, dia izaho izay manetry tena, hono, raha eo anatrehanareo, fa feno fahasahiana aminareo kosa raha tsy eo.
malagasy
[Teny nentin'i Paoly namaly izay nanohitra sy nanevateva ny fahefany ka azy tsy ho Apostoly marina] Ary ny tenako, izaho Paoly, dia mananatra anareo amin'ny hamoram-panahy sy ny fandeferan'i Kristy, dia izaho, izay manetry tena, hono, raha eo anatrehanareo, fa sahy aminareo kosa, raha tsy eo.