2 Corinthians 10:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tsy sahy hilaza ny tenanay ho isan’ny sasany izay midera tena izahay, na koa hampitaha ny tenanay aminy; fa tsy hendry ireny, satria manohatra ny tenany amin’ny tenany sy mampitaha ny tenany amin’ny tenany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izahay tsy mba sahy mampitovy na mampitaha ny tenanay amin-dry zareo sasany midera tena; satria hadalana mihitsy ny azy manohatra ny tenany amin’ny tenany, sy mampitaha ny tenany amin’ny tenany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Marina tokoa fa tsy sahinay ny hampitovy na hampitaha ny tenanay amin’ny olona sasany midera tena; satria tsy hendry ireny, fa manohatra tena amin’ny tenany ihany ary mampitaha tena amin’ny tenany ihany.
Malagasy Bible 1865
Fa izahay tsy sahy hanao ny tenanay ho isan'ny sasany izay midera tena, na hampitaha ny tenanay aminy; fa tsy hendry ireny, satria manohatra ny tenanay amin'ny tenany sy mampitaha ny tenany amin'ny tenanay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tsy sahy hilaza ny tenanay ho isan’ny sasany izay midera tena izahay, na koa hampitaha ny tenanay aminy; fa tsy hendry ireny, satria manohatra ny tenany amin’ny tenany sy mampitaha ny tenany amin’ny tenany.
malagasy