2 Corinthians 10:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
tsy mirehareha mihoatra ny tokony ho izy izahay ka hirehareha amin’izay nisasaran’ny sasany, fa manana fanantenana izahay fa rehefa mitombo ny finoanareo dia mihalehibe ao aminareo koa izahay, araka izay voafaritra ho anjaranay, sady mbola handroso ihany
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy mirehareha ivelan’ny ohatra izahay, ka hirehareha amin’izay nisasaran’ny sasany; fa izao no antenainay: rehefa mitombo ny finoanareo, dia hitombo ao aminareo hatrany hatrany izahay, araka ny voafaritra ho anjaranay;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy mirehareha mihoa-pampana izahay, ka hirehareha amin’ny asa nataon’ny sasany; fa izao no antenainay: rehefa mitombo ny finoanareo, dia hitatra hatrany hatrany eo aminareo koa ny asanay, araka ny fenitra napetrak’Andriamanitra ho anay.
Malagasy Bible 1865
tsy mirehareha tsy amin'ohatra amin'izay nisasaran'ny sasany izahay, fa manana fanantenana izahay fa rehefa mitombo ny finoanareo, dia hohalehibiazina ao aminareo izahay araka ny voafaritra ho anjarany, sady mbola handroso ihany
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
tsy mirehareha mihoatra ny tokony ho izy izahay ka hirehareha amin’izay nisasaran’ny sasany, fa manana fanantenana izahay fa rehefa mitombo ny finoanareo dia mihalehibe ao aminareo koa izahay, araka izay voafaritra ho anjaranay, sady mbola handroso ihany
malagasy